25-nov-2022
Nirefodrefotra tsy nifankahitana ny feom-basy teny Anosibe akaikin’ny Pharmacie Volahanta omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva teo.
Hamaky ny tohinyNahoraka omaly ny fanemorana, mba tsy hilazana hoe fanafoanana, ny fanolorana eo anoloan’ny fitsarana ny raharaha Ketakandriana Rafitoson,
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Nametraka fitarainana any amin’ny Nonce Apostolika ny tompon’ny tany ao Analamalotra, Toamasina II, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Telo andro na efatra andro lasa no namaly hafatra farany ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina, ary eto Antananarivo raha ny nambaran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo omaly.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Nitohy omaly teny amin’ny Polisy ekonomika ny fakana am-bavany an-dRtoa Ketakandriana Rafitoson Sekretra mpanatanteraky ny TI-IM (Transparency International-Initiative Madagascar)
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Trangam-piarahamonina isan’ny nanamarika ity herinandro ity ny fanolanana nataona tovolahikely miisa 12 ny vehivavy iray voalaza fa efa ampy taona.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Hanohana ilay tetikasa “Social Entrepreneurship For Youth (SEFY), Key to community development”, izay hanomboka ny volana Desambra ho avy izao ny Association clair de lune Madagascar .
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Nihaona tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriatsitohaina, aho anio (TTF: omaly), hoy ny mpanao politika Kristianina sady kandida ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha, Eliace Ralaiarimanana.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Nanakoako ny fanambaran’ireo firenen-dehibe sy vondrona iraisam-pirenena omaly naneho fa manohana ny vahoaka Malagasy sy ny governemanta ary ny fiarahamonim-pirenena amin'ny ady amin'ny kolikoly,
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Taorian’ny resaka fanamboarana ny kianjan’Anosizato dia miroso hatrany amin’ny asa fitarihana ny fikambanana Hafari malagasy, hoy ny filohany, Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Ny alahady 13 novambra lasa teo ny nilazan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny tambazotran-tserasera, fa nisy saika hamono tamin’ny alalan’ny fitifirana. “
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Hakanto contemporary Ankadimbahoaka ny hetsika fampirantiana ara-java-kanto faha 6 tao anatin’izay 3 taona nisian’ity tranoben’ny kanto eny an-toerana ity izay.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Toerana iray fikarakarana ny reny sy ny zaza ny atao hoe “cabinet d’accouchement”, hoy ny tomponandraikitra voalohan’ny “cabinet d’accouchement” iray etsy Namontana, Ramasiharilala Mbolatiana Mirah.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Notanterahina tetsy amin’ny Carlton omaly ny andiany faha-6 amin’ny Fiaraha-midiniky ny Rafi-panjakana sy ny Sehatra tsy miankina, nokarakarain’ny EDBM.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Efa heno sy re foana hatramin’izay, saingy vao mainka niha nalaza sy voaresaka eny amin’ny sehatry ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny Transparency International noho ny raharaha fitoriana nataony sy ny
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Mbola tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ilay tovovavy kely 10 taona nihinana yaourt tsy fantatra niaraka tamin-dReniny sy ny zandriny kely iray tao Toamasina.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Afaka hiasa manomboka amin’ny fiandohan’io taona 2023 io ireo “scanners” miisa roa apetraka ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Betsaka ireo mitaraina ho tsy mahafehy sy tsy mahafolaka ny teny Frantsay eto amintsika. Miainga amin’ny ankizy mpianatra izany ka hatramin’ny mpiasa indrindra fa ilay fahaizany mampiasa azy amin’ny fiainana andavanandro.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Fikambanana hivondronan’ireo kaominina miisa 33 eto Antananarivo renivohitra sy ivelany ny Ivom-panajariana ny tananan’Antananarivo sy ny manodidina na ny IPAM tarihin’ny filohan’ny filan-kevi-pitantanany Rado Ramparaoelina,
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Mpianatra miisa 228 mianadahy nandrato fianarana tetsy amin’ny Institut universitaire Polytechnique de Madagascar na ISM Advancea Ambatonakanga no navoaka tamin’ny fomba ofisialy rehefa avy nianatra 2 hatramin’ny 5 taona
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
Lehilahy miisa roa 18 taona sy 27taona no saron’ ny Polisin’ny UIR tetsy Isotry omaly rehefa nangarom-paosy.
Hamaky ny tohiny
25-nov-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.