tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 17-janv-2023

Fifamoivoizana

Mila vahaolana mivaingana ny RN2 Manome 5 andro ho an’ny Fanjakana ireo mpitatitra

17-janv-2023

Raikitra omaly ny grevin’ireo fiara kamio mpitatitra entana any amin’ny RN2. Tapaka tanteraka ho an’ireo fiara vaventy noho izany tao Ankarefo RN2 io omaly io.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Don-tandroka

Raha any anaty horonantsary mihetsika dia tahaka irony « rôle » tsy mety sy tsy manaiky ho faty ireny mihitsy ny mpitondra eto amintsika.

Edito

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Toriteny teny Antsonjombe Namaly bontana ny Fiangonana ny minisitry ny Atitany

Namoaka fanambarana omaly ny minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin, ka nitondra hafatra mba hisian’ny fitoniana eo am-panomanana fifidianana, niantso ny tsy hanaovana fihantsiana sy fanakorontanana saim-bahoaka.

Actualités

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Refesina hatramin’ny Fiangonana Rehefa iza no hiteny vao hiaika fa rendrika ny firenena ?

Adihevitra mandrak’androany ilay toritenin’ny Mpitandrina FJKM tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, izay maro ny mpitondra Fanjakana nahatsiaro ho voatsindrona na tsy nisy fanononana olona mivantana aza.

Politique

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona “Mpitondra fivavahana no namaha ny krizy rehetra teto”

Fomba fanoherana teto amin’ny firenena hatramin’izay ny mamorona tranga iray miteraka resabe, hoy ny mpikamban’ny Vovonan’ny tanora tia tanindrazana mitaky fanovana na JPRM, Jerry Rakotoarijaona.

Politique

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Orinasa amin’ny harena an-kibon’ny tany Hanaovana tsindry hitangosam-bola indray ?

Iny notaterin’ny filankevitry ny minisitra tao anatin’ny lahatsoratra lava dia lava ny alarobia 11 janoary 2023 teo iny ny tsy fanavaozana intsony ny fifanarahana momba ny hetra sy haba mikasika ny orinasa QMM any Taolagnaro.

Politique

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Annick Ratsiraka Ho kandidan'ny AREMA ?

Mangataka ny Sekretera Nasionalin’ny Antoko Revolisionera Malagasy na Arema, Rtoa Annick Ratsiraka hirotsaka

Politique

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Fampiakarana vidin’entana “Tsy ekena ny fanararaotana, hamafisina ny fitsirihana”

Hanamafy ny fitsirihana ireo endrika fanararaotana amin’ny fampidanganana vidin’entana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Firaisankinan’ny mpiasa Malagasy « Ataovy vaindohan-draharaha ny olombelona »

Ny valaben’ny firaisankinan’ny mpiasa malagasy na SSM dia nanao fanambarana tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra omaly fa ny 18 febroary izao izy ireo no hifampiarahaba tratry ny taona ao Antsahamanitra.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Minisitry ny fambolena sy ny PAM Nidinika fampiroboroboana fihariana apemba

Nihaona tamin’ny minisitry ny fambolena sy fiompiana, Ramilison Harifidy, sy ireo tomponandraikitry ny MINAE tao Anosy ny delegasiona avy amin’ny PAM,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Toetr’andro Ahiana hivadika rivo-doza ireo tangoron-drahona

Ahiana hivadika ho rivo-doza ato anatin’ny 48 ora ireo tangoron-drano roa mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indiana raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

Actualités

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Ivato sy Talatamaty Orinasa afaka haba maromaro no narahi-maso tampoka

Orinasa afaka haba maromaro no nanaovan’ny Ministeran’ny asa sy ny fampananan’asa fidinana tampoka omaly teny Ivato sy Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo teny.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Toamasina Maty voatifitry ny polisy i Rasihanaka sy ny ekipany

Tapitra ny 99 andron-dRasihanaka sy ireo namany telolahy. Maty voatifitry ny FIP sy ny UIR omaly Rasihanaka sy ireo namany 3 lahy.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
ANOSIBE Zaza tsy ampy taona no namaky fitoeran’entana

Fitoeran’entana ana tranom-barotra lehibe iray etsy Anosibe omaly alatsinainy 16 janoary no nisy namaky tamin’ny andro atoandro.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Mpangalatra 3 lahy tany Betafo « Biscuit » sy vovon-tsavony no saika nahafaty

Telolahy nangalatra bisikoitra, menaka baume sarabe, fanafodin'omby ary vovon-tsavony no saika matin’ny fitsaram-bahoaka tany Mahaiza sy Mahamarina, kaominina Betafo omaly.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Kaominina Alasora Mamaimpoana ny fanamboarana kopia fohy

Ao anatin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy hiatrehana ny fanadinam-panjakana mihitsy ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy sy fahasivy amin’izao.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Rakotomalala Henry na Riribe “Ny olona mahay mandray toriteny no ho voavonjy”

Ny toriteny dia tsy tokony ahatezitra fa entina hanitsiana ny tsy mety atao raha tena Kristianina isika, hoy ny mpanao politika, Riribe na Rakotomalala Henry.

Politique

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana “Tsy tonga hiantso ny efa marina ny Tompo”

Matoa ianareo nahatsapa fa voatsindron'ilay toriteny dia ataonareo tokoa ilay izy izay, hoy ny mpanao politika Kristianina, Eliace Ralaiarimanana.

Actualités

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Kidnapping, fanafihana mitam-piadiana,… 29 taona ny fihenan-tsazin’i Djaffar Younouss

Nandeha ny resaka fa anisan’ireo anaty lisitry ny mpisitraka fampihenan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena ho an’ity taona vaovao ity i Djaffar Younouss,

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Barea CHAN Mahavelom-bolo ny tohiny

Manana herijika hiatrika ny ampahavalon-dalana ny Barea CHAN taorianan'iny fandresena miezonezina manoloana ny Ghana ny alahady Téo tao amin'ny kianja Chaud Hamlaoui tao Constantine.

Sport

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Black Nadia Hiverina an-tsehatra amin’izay fa efa salama tsara

Mirary taona zina ho antsika rehetra ao anatin’izao taona vaovao izao, hoy ny mpanakanto, Black Nadia. Efa miverina miasa izahay, hoy izy, ary efa mandeha ny fitetezam-paritra.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Card image cap
Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Randrianantenaina François

Misaona indray ny fanaovan-gazety malagasy. Nodimandry ny alahady 15 janoary teo teo amin’ny faha 48 taonany ny mpanao gazety Randrianantenaina François,

Actualités

Hamaky ny tohiny
17-janv-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus