tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Archive du 13-févr-2023

Politique

Rajao, Ravalo, Rajoelina Raikitra ny hazakazaka 2023

13-févr-2023

Azo lazaina ho feno ireo herivelona politika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana taorian’ny fahatongavan’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Manangasanga ny tsy ampoizina

Azo lazaina ho manangasanga ny tsy ampoizina na “surprise”, hoy ireo vahiny, taorian’iny fiverenan’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, iny.

Edito

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Mitombo ny fahasosoran-dry Rossy “Aza sakantsakanana intsony ny fihetsiketsehana”

Nitarika ireo mpanohana azy nanamarika ny faha-48 taona namoana an-dRatsimandrava ny sabotsy teo ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy.

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
TIM Avaradrano Vonona hampandresy an’i Marc Ravalomanana

Vonona hampandresy an’i Marc Ravalomanana ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara distrikan’Avaradrano.

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Fizarana vary sy loaka etsy sy eroa Fa lasa « service traiteur » ve izany ilay IEM e ?

Rehefa nangingina kely fa mbola niatrika ny fahombiazan’ny Barea, dia nitohy tany Mahanjanga indray ny fizaran-javatra nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Famonoana zanaka mpanao politika Voasambotra ny olona 5 ahiana ho tompon’antoka

Zazalahikely iray vao 10 taona monja antsoina hoe Allan no nisy namono teny Ilanivato Andavamamba ny alin’ny sabotsy 11 febroary hifoha omaly alahady.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Resaka politika Raikitra ny adin’i Voninahitsy sy Paolo

Mihamafana ny sary politika, nifanitsoka sy nifamely ara-tserasera ny depiote Voninahitsy Jean Eugène sy ny Filohan’ny Sendikan’ny Administratera sivily Paolo Raholinarivvo ny faran’ny herinandro teo.

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Fifidianana 2023 Mitohy ny fivoizana politikan’ny toloram-potsiny

Mitohy hatrany ankehitriny ny fivoizana politikan’ny toloram-potsiny ataon’izao fitondrana izao toy izay efa nataony hatramin’ny tetezamita nanomboka ny taona 2009.

Actualités

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Mpisehatra sy mpamiasa lalana « Lainga tsara lahatra ilay 600 miliara noresahan’ny praiminisitra »

Niara-nikaon-doha tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny faran’ny herinandro teo ireo mpisehatra sy mpampiasa lalana eto Madagasikara.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Mahery Lanto Manandafy Gadra lasa samaritana tsara fanahy

Efa-bolana sy tapany any am-ponja izao i Mahery Lanto Manandafy na Malama. Ny 30 septambra 2022 ity zanaka lahin’i Manandafy Rakotonirina,

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Clémence Raharinirina « Tsy maintsy miteny aho ho fiarovako ny vahoaka »

Clémence Raharinirina, filohan’ny fikambanan’ny fiara karetsaka eto Antananarivo renivohitra irery sady mpanolon-tsaina

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Minisitry ny fanabeazana “Mahaiza misafidy ekipa”

Ny fanaovana politika dia toy ny baolina kitra, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Pr Marie Michelle Sahondrarimalala.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Antoko politika FTM “Handray ireo maniry hitantana raharaham-panjakana”

Noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2023 dia hisy ny fampirantiana ny vokatra rehetra misy ao Betsimitatatra ho tontosain-drizareo

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Zava-doza teny Ankadindratombo Nanitsak’olona ny kamiaon’ny “Projet Présidentiel”

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tetsy Ankadindratombo-Alasora na eo amin’ny Domaine Alasora no ahalalan’ny besinimaro azy.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Fikambanana leo fahantrana « Izay tohananay dia lany, izay ahonganay dia miongana »

Sorena ny filohan’ny fikambanana leo fahantrana na ny FILEFA tarihin-dRazafindrakoto Jacquie manoloana ny zava-misy ankehitriny.

Politique

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Vaky trano teny Anosizato Noraisim-potsin’ny polisy ilay jiolahy mbola nisaro-tava

Noraisim-potsiny noho ny mbola fanaovany sarotava na “cagoule” sy fitondrana fitaovana fanapitsihina trano na "barre à pince"

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Pastera Heritiana « Tena mila fitandremana io fihetsem-po mahafaty tampoka io »

Betsaka ireo olona maty vokatry ny fihetsem-po tato ho ato. Ankoatra ireo tapaka lalan-dra noho ny fahatairana sy ny hafaliana na koa noho ny hatezerana dia tsy vitsy ireo tsy miverina intsony ny ainy rehefa misy zavatra tena

Sosialy

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Fianakaviamben’ny polisim-pirenena Namboly zana-kazo marobe ny tao Bongolava

Ny alakamisy 02 febroary 2023 no notanterahina ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo tao amin'ny faritra Bongolava ka nandraisan'ny Polisy anjara mavitrika niarahana tamin'ireo sampan-draharaha maro samihafa

Actualités

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
TENY GASY Haintenin’ny Ntaolo

Raiko aza Ramasoandro Reniko aza Ravolana Vahoakako aza ny kintana Basiko aza ny varatra (H)ianao no vazo tiako

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Mpitondra taxi nisandoka ho kaomisera An-tapitrisany maro ny vola efa azony taman’olona

Miha mitombo hatrany ireo mpisoloky eto amintsika. Lehilahy iray 48 taona indray no saron’ny kaomisarian’ny

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
The Jackson Boys Hanome seho tokana ao Antsirabe

Hanome seho tokana ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra ny tarika The Jackson Boys izay tarihin’I Mandresy moa, ilay fantatry ny maro amin’ny hoe Mandresy Jackson.

Actualités

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
CEPE sy BEPC 2023 Maimaim-poana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina

Nivoaka ny alarobia 08 febroary 2023 ny naoty mikasika ny tsy fisian’ny fandoavam-bola amin’ny fisoratana anarana

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Basketball Any Salt Lake City - Etazonia i M'Madi

Mbola mitohy ny lalan'i Mathias M'Madi. Taorian'ny Afrobasket U18 nahavoahositra any ho mpilalao mendrika

Sport

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Onja sy Nina - Barea CHAN Notsenain'Antsirabe tamin'ny fomba manetriketrika

Hafaliana sy endrika mirana no nitsenain'ny vahoaka an'Antsirabe ireo Barea roalahy dia tsy iza izany fa i Onja sy Nina.

Sport

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Card image cap
Orange Pro League Nataon'ny MAMA naniry kintana ny JET

Notontosaina ny sabotsy teo ireo lalao hany tafiditra amin'ny andro fahadimy ny Orange Pro League. Tany Toamasina dia nisaraka ady sahala ny AS Fanalamanga sy ny Tia Kitra.

Sport

Hamaky ny tohiny
13-févr-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus