15-mars-2023
Sesilany ireo tranga hafahafa ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro tato ho ato. Maty tao anaty hotely fandriam-bahiny iray ao Ambatondrazaka ny ben’ny tanànan’ny Kaominina Anororo distrikan’Amparafaravola Atoa Andrianony Vahiny
Hamaky ny tohinyRaha nilaza ofisialy ny Filoha mpanorina ny AVI Atoa Norbert Lala Ratsirahonana nandritra ny fivoriambe tany Toliara, dia nilaza mahitsy kosa izy fa mbola tsy misy filazana ofisialy hoe:
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Niampy 11 isa indray omaly ireo razana hita narendriky ny lakana tany amin’ny Nosy Faly, Ambanja raha nikasa handeha hitsoaka an-tsokosoko tany amin’ny Nosy Mayotte.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Fiovaovan’ny toetr’andro : ny zava-misy sy ny fanamby ho an’i Madagasikara », io no lohahevitry ny loa-bary an-dasy nokarakarain’ny Sekoly Ambony momba ny Zo sy ny Siansa Politika na ESD tetsy Nanisana omaly talata 14 martsa.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Tonga nihaona tamin’ny Filohan'ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa ny Ambasadaoro Amerikana Claire Pierangelo androany omaly 14 martsa 2023.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Ekena fa azo sokajiana ho olo-malaza ny mpilalao kitra iray, indrindra, fa efa niaro ny voninahim-pirenena tao anatin’ny ekipam-pirenena no sady nanoratra tantara teto amin’ny firenena mihitsy.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Niteraka adihevitra ilay fanomezana avy amin’ny Samaritan’s purse, niainga avy amin’ny firenena maro toy ny avy any Amerika, izay matetika any am-piangonana no izarana azy, ary ao anatin’ny fotoanan’ny noely.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Misokatra ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso mikasika ireo trano fisakafoanana voalaza fa mahandro varika any amin’ny distrikan’i Maroantsetra.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Hisy ny fitsirihana ara-kajy mirindra na “audit informatique” ny antontan’isa nanaovana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana iarahana amin’ny OIF na ny Vaomieran’ny tany miteny Frantsay,
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Nanao ny fidinana ifotony tetsy amin’ny Fokontany Ambodivonikely Ambohimanarina mba ahafahana manara-maso ny fisoratana anarana eny anivon’ny Fokontany ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI omaly.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Nanatanteraka fihaonana tamin’ny minisitera ny mpianatra ao amin’ny Politeknika, Votovorana omaly talata 14 martsa 2023.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Manoloana ny trangana faharendrehan-dakana haingam-pandeha tao Ankazomborona farany teo dia naneho ny
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Mitaraina amin'ny afitsoky ny ben'ny tanàna iray any amin'ny distrikan'i Soavinandriana Itasy ny vahoaka, hoy ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Vavan’olona roa, mpandeha taxibe raha kely no tsy maintsy zakain’ ireo mpamily taxibe sy ny mpanampy azy amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany isan’andro.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Tontosaina etsy amin’ny gara Soarano nanomboka ny sabotsy teo hatramin’ny 18 martsa izao etsy amin’ny gara Soarano ny andiany faharoa amin’ilay hetsika antsoina hoe Tana design week, izany hoe Tana design week 2.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Tsy mandry fahalemana ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Manjakandriana, distrikan’i Mahanoro, Faritra Atsinanana.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Tokantrano miisa 826 ahitana zaza latsaky ny 05 taona sy vehivavy bevohoka tsy ampy sakafo ary vehivavy
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Adidiko amin'ny maha solombavambahoaka ahy ny manao tatitra aminareo vahoaka nifidy ahy, hoy ny depiote voafidy tao Mananjary, Mamy Haja.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Hiverina eny kianja ihany ny kanetibe na dia mbola tsy nivaha aza ny olana mikasika ny sazy nataon'ny Federasiona iraisam-pirenena.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Sorena ny amin’ny fihetsik’ireo olona sasany eto amintsika Ramatoa Assanati Famo Gidraka, filoham-boninahitry ny fikambanana Assanati Famo Gidraka.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Nangataka ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, filohan'ny vaomeran 'ny fananan-tany eny anivon'ny antenimeram-pirenena ireo mponina ao Ampefy,
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
Nahita lalao niady ny mponina ao Toliara nandritry ny fihaonan'ny 3FB sy Dato omaly tao amin'ny kianja Maître Kira.
Hamaky ny tohiny
15-mars-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.