Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo voalaza fa tompon’ny tany izay lasa ifanolanana ao Ambondrona Nosy Be, eo anatrehan’ny fahatsapahana fanalam-baraka sy fanetrena ny voninahitr’izy ireo.
Volan’ny seranan-tsambo na «port» 100 miliara iraimbilanja na 20 miliara Ariary no nanaovana ny Miami tapany voalohany na «1 ère tranche»,
Niakatra fitsarana teny Anosy indray omaly ny Filoha Tale Jeneralin’ny La Gazette de La Grande Ile Atoa Lola Rasoamaharo, ka ny raharaha Jirama sy ny fitorian-dRtoa Brigitte Razaka no nitsarana azy.
Nanamafy ny Antoko TIM omaly tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, fa hotanterahina ny 01 jolay ho avy izao ny Kongresy nasionaliny, ary efa miomana fatratra ny amin’izany amin’izao fotoana izao.
Ny vahoaka trotraky ny fahantrana sy ny fahasahiranana fa ny mpitondra Fanjakana toa maneho amin’ny fihetsiny fa migalabona sy miliba amin’ny volam-panjakana.
Fotoana hahatrarana ny tovovavy iray mitoe-jaza ny fanaovany fanetseham-batana mafy loatra toy ny fanaovana fanatanjahantena.
Olana lehibe tao anatin’ireny savorovoro niseho teo aloha mikasika ny fitsaboana nentim-paharazana ireny ny fisiana dokam-barotra isan-karazany izay voalazan’ny lalàna fa tsy tokony ho atao,
Taorian’ny taona 2019 dia omaly indray vao niverina nanao fivoriambe toy izay fanaony isan-taona tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto etsy Mahamasina ny fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana malagasy na ASTRAMA.
Nanomboka ny fiandohan’ny volana jona lasa teo ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 Jona no sady fananganana ny sainam-pirenena ho an’ny isan-tokantrano ho mariky ny fiandrianam-pirenena
Tokony hisy fampiharana hita maso, hoy ny Perfect Madagascar
Afaka 13 andro eo ho eo sisa dia hiatrika ny fanadinana ara-panjakana CEPE ireo kilonga madinika miisa 515.081
Tovovavy iray 23 taona no tratra nivarotra rongony teny Tanjombato afak’omaly 05 jona.
Zazakely roa vao 17 volana sy 6 volana no indray namoy ny ainy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andranopasy, distrikan’i Manja,
Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana. Aza kivy isika fa ny haizina mbola hazava, hoy izy.
Ho resaka hifandroritana ato ho ato indray ny fananganana Faritra vaovao. Ny tena resaka, tsy dia hoe fampanatonana akaiky kokoa ny renivohi-paritra,
Nampita hafatra ho an’ny Mpitondra Fanjakana eto Madagasikara ny Fikambanana Rantsana fa nofidiana
Noho ny fankalazana ny faha 63 taonan’ny fahaleovantena dia hikarakara hetsika maimaim-poana seho hira gasy
Samia manadio ny tandrify azy, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana sady mpandala ny nentin-drazana, Randimbiarimanana Feno Manankasina na Maitre Feno, naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena.
Efa fanandramana ny hanamboarana ny ho avy ve dia tsy mbola miantso ireo taninketsa tena mamiratra ?
Nandravarava ny mpilalao tennis Malagasy vehivavy omaly nandritry ny Amboara Billie Jean King tatsy Lesotho. Resin'ny Malagasy 3 noho 0 ry zareo tompontany.