tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 23 Mars 2023

airtel

Archive du 15-nov-2022

Actualités

Trafika Volamena 56 kg indray no tafavoaka vao tsy ela ?

15-nov-2022

Herinandro vitsivitsy izay no nahazoana loharanom-baovao fa nisy volanamena am-polony kilao maro saika haondrana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Kendan’ny nasesiky ny tànany

Efa be loatra ny sinema, ny resaka tsy tonga volana sy misavoamboana natao teto. Na tamin’ny propagandy na tao anatin’ny raharaham-pitantanana ny firenena nahitana sy nahatarafana an’izany avokoa.

Edito

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Christian Andriatsimiavona “Aleo ny olona adala tsy omem-pahefana…”

Vanim-potoana manatratra ny tanjon’ny arivo fahatelo isika izao, mba hitondrana rivo-baovao. Mivoatra ny tontolo, tonga amin’ny satan’ny adalo na “verseaux”,

Politique

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Raharaha hafahafa Fa lasa aiza ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA ?

Ary aiza marina ny Tale Jeneraly vonjimaikan’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina no tsy hita tabilao firy taorian’ny 6 novambra? Isan’ireo tokony ho nanao ny tombana an’ireo Tale maro eo anivon’ny Jirama ny tenany,

Actualités

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Kaominina Antananarivo Nisy niakatra avo 100 heny ny hetran-trano

Miverina indray ny resaka hetran-trano midangana eto an-drenivohitra. Mimenomenona ny mponin’Antananarivo noho ny fidangan’ny hetra takian’ny Kaominina Antananarivo,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Horonantsary “Lova lehibe” Nalefa ho fiantsoana fandriampahalemana

Notontosaina teny amin’ny sekoly tsy miankina “Le P’tit Pré” Andoharanofotsy ny herinandro lasa teo ny fijerena horonantsary mahakasika ny fiantsoana fandriampahalemana nataon’ny HWPL na ny sampana iraisampirenena

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Ministeran’ny fahasalamana Manamafy ny ady amin’ny coronavirus

Nisy ny fanentanana ireo mpiara-miasa mba hitandrina ny amin’ny valanaretina Coronavirus nandritry ny fananganan-tsainan’ny ministera’ny fitsarana teny Faravohitra omaly alatsinainy.

Covid 19

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Fitondrana Rajoelina Hafa ny lazain’ny vava, hafa ny atao

Hanova ny tantara isika, hoy ny filoham-pirenena ankehitriny izay, nefa izay manadino ny tantarany dia voahozona mbola hiaina izany, hoy ny filozofa, Karl Marx.

Politique

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Minisitry ny angovo-Olan’ny Jirama “70% tsy fahafehezan’ny teknisianina asa, 30% hasomparana”

Ny 70%n’ ny olana dia vokatry ny tsy fahafehezan'ny teknisianina ny asany, 30% vokatry ny hasomparana”, hoy ny minisitry ny Angovo sy Akoran'afo Ramaroson Andry omaly 14 novambra,

Actualités

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Rakotomalala Henry na Riribe “Mpanao sinema loatra ity fitondrana ity”

Mirona loatra mankany amin’ny fahapotehan’ny firenena ny zava-misy iainantsika vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.

Politique

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Jeneraly Tsaranazy Jean Emile “Tsy dia mampino loatra ilay hoe nisy nifofo aina”

Tsy indray mandeha no nisy fanambarana fa ny filohan’ny repoblika izao tamin’ny Appolo 21 dia hoe nisy nifofo ny ainy, hoy ny minisitra teo aloha sady mpanao politika, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Fampandrosoana eto Madagasikara “Fampandrosoana manavaka na apartheid”

Nambaranareo mpanao gazety fa 13%n’ny fampanantenana natao tao amin’ny IEM, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha sady mpanao politika, ny jeneraly Tsaranazy Jean Emile, no tanteraka amin’izao.

Taratasy hoan'i jean

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Fitifirana mampiady hevitra Nomelohin-dRajoelina, Ravato, Hajo…

Raha toa ka misy ny mandray sy mieritreritra ho sinema politika ny fitifirana ny fiaran’ny ben’ny tanànan’Antananarivo,

Politique

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Antenimieram-pirenena Tsimbazaza Nampaneno lakolosy ho an’ireo depiote mpingitrika i Rossy

Nanao fanairana eo anatrehan’ny fingitrihana ataon’ny solombavambahoaka maro ao anatin’izao fivoriana ara-potoana izao ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly.

Politique

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Raim-pianakaviana nody alina Voatsindrona antsy ny tenda, lasa ny 12 tapitrisa Ar

Raim-pianakaviana iray nody avy niasa alina no nifanehitra tamina jiolahy enin-dahy ka voatsatoka antsy teo amin'ny tendany ny alin'ny zoma teo tao amin’ny tranona mpiasana haino aman-jery iray eo Antanetilava Ikianja

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Velirano mipoapoaka, vola tsy misy Mila 1325 tapitrisa dolara ilay « làlana masoandro »

Navoakan’ny Minisiteran’ny Asa vaventy omaly ny tombam-bidin’ny "Làlana Masoandro" na "Route du soleil", izay fampanantenan’ny Filoham-pirenena, nohamafisiny ny 29 oktobra 2022 teny amin’ny CCI Ivato.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Fiatrehana ny Mondial Qatar 2022 Misy ireo tolotra azo isafidianana

Hitodihan' ny mason' ny daholo be ato ho ato ary mandritry ny iray volana ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra ho tanterahana any Qatar ny 18 novambra ka hatramin’ny 20 desambra 2022.

Sport

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Card image cap
Maevatanana, Antsirabe, Manakara Efa naloa ny karaman’ireo mpanisa mpifidy

Efa mandeha ny fizarana ny karaman’ireo mpanisa mpifidy na “agent recenseur” manerana an’I Madagasikara, hoy ny DAF an’ny CENI, Jean Nomeny Victor.

Actualités

Hamaky ny tohiny
15-nov-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus