20-déc-2022
Herinandro teo ho eo izay no niparitaka ny resaka, niainga tamin’ny lahatsoratry ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence,
Hamaky ny tohinyHerinandro tsy hahatongavan’ny fetin’ny noely isika izao, ary raha ny tena tokony ho izy dia ao anatin’ny vanim-potoana fiomanana tanteraka amin’izany.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Notanterahina omaly tetsy Anosy ny Fotoam-pitsarana manetriketrika fandraisana ny fianianana sy fametrahana amin'ny toerany ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Voamarika tato ho ato fa manaraka akaiky izay alehan'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny asa na dia ataony any ivelany ny Minisitry serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Nanao jery todiky ny zava-bitany tamin’ity taona ity ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Mijanona ho dosie mbola an-dàlana na “en instance” eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena (HCC) aloha hatreto ny raharaha fakan’ny Filankevitra ambony momba Fiarovana ny Demokrasia sy Fanjakana
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Ampasika, akaikin’ny mpanendy kafe, ny andron’ny omaly 19 desambra 2022 tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, raha ny tati-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Aza mieritreritra ny hanitatra fe-potoana fa tapitra amin’ny 2023 ny fe-potoananareo, hoy ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Tapitra ny fe-potoana 48 ora nomen’ireo Tokobetelo ikambanan’ny foko Tanalana 3 dia ny Tevondrone, Temilahehe sy Temitongoa sy ny fianakavian’I Andry Biahary,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Nankatoavin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena FMI ny herinandro teo ny “plan de sauvetage” mitentina 3 miliara dolara be ho an’i Ghana.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Niravona ny olana sy ny disadisa tao Taolagnaro mikasika ny raharaha QMM taorian’ny fifampiresahana voalaza fa tsy nisy teritery ny faran’ny herinandro teo,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Nivoaka tamin’ny fahanginany ka naneho ny heviny mikasika ny raharaha fanesorana mpiasa tao amin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny Antontan’isa na ny INSTAT,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Goavana ny tetikasa iarahan’ny trano mpamokaratra horonantsary sy Sarimihetsika SR Production sy ny fikambanambe FCDR na Fondation Céline et Didier Ratsiraka,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Tena mihalalina ny fahantrana eto Madagasikara. Tafakatra 28% ny tahan’ireo ankizy 5 ka hatramin’ny 17 taona miasa amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
500 mahery ireo mpiofana momba ny asa-tanana navoakan'ny CENAM tamin'ity taona 2022. Natolotra azy ireo omaly ny mari-pamantarana mirakitra ny fahavitan'izy ireo fiofanana.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Hiditra an-tsehatra amin’ny fisantarana ny fampisehoana andehanany irery I Lolo, mitarika ny Lolo sy ny tariny, ny 20 may 2023, raha ny vaky sehatry ny taom-baovao no ambara.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Tena mamono olona maro isan-taona ny fandraisana sy ny fifohana sigara sy paraky maneran-tany. Ho antsika eto
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Misy andro ratsy miforona any amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, Darian no anarany.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Mbola voasokajy ho ao anatin’ny kaominina ambanivohitra ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Lehilahy iray 36 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriboritany faharoa etsy Ambohijatovo omaly alatsinainy 19 desambra tokony ho tamin’ny 10ora sy sasany maraina rehefa nangalatra moto.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Zaza tsy ampy taona roa 13 taona sy 15 taona no tratra nanao sinto-mahery teny amin’ny tetezan-dRamala Isotry ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Tovolahy miisa 02 nikasa hamaky orinasa lehibe iray tany Morondava no sarona rehefa nifanena tamin’ny mpitandro ny filaminana ny 18 desambra teo tokony ho tamin'y 11 ora atoandro.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Niantso ny mpikamban’ny antoko politika PDCM na “Parti démocrate Chrétienne de Madagascar” ara-dalana rehetra omaly ny filohan’izy ireo, Rapetera Désiré,
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Miantso fitoniana politika na “trêve politique” ny antoko politika Natiora ao anatin’izao volana desambra izao.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
Ankoatra ny hazo Noely dia anisan’ny manamarika ny fetin’ny Krismasy tahaka izao ny fisian’ireo karazana jiro mandravaka ny tanana.
Hamaky ny tohiny
20-déc-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.