tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Archive du 19-janv-2023

Politique

Rajoelina, 4 taona aty aoriana Nahay naka fahefana saingy sahirana mitantana

19-janv-2023

4 taona katroka anio 19 janoary 2023 ny fianianan’ny Filoha Rajoelina tetsy Mahamasina. Fiaingana toa nahavelom-bolo satria tonga nanome voninahitra avokoa ireo mpitondra nifanesy mbola velon’aina tamin’izany.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Tsy hiova mihitsy !

Sarotra ny miady hevitra rehefa mihevitra ny tenany ho tompon’ny fahamarinana hatrany ny olona na vondron’olona iray.

Edito

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Fitaleavam-paritry ny mponina ao Menabe « Tsy misy olona mivaro-janaka izany aty aminay »

Niparitaka ny vaova o tamin’ny tambajotran-tserasera facebook tao Menabe tao fa misy Ray aman-dReny mivaro-janaka ihany koa noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Fanalahidy be noraisina 4 taona lasa Tsy hay izay nohidiany sy novahany

4 taona katroka anio moa ny fianianan’ny filoham-pirenena ankehitriny tetsy Mahamasina. Efa noresahana teto omaly iny hoe tsy hay hoe niniana tamin’iza sa niniana tamin’ny inona izany ny filoha Andry Rajoelina tamin’ireny fotoana

Politique

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Nonce Apostolique Mgr Tomasz Grysa no hiasa eto Madagasikara

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Nonce Apostolique, Son Excellence Mgr Tomasz Grysa,

Finoana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Marim-pototra sa famitaham-bahoaka ? Tokony efa misy 8 km ny « Autoroute » vita

Mitombo hatrany ny ahiahy amin’ny fomba fiasan’ny Fanjakana Rajoelina, izay matetika toa mitady ho lasan-ko vavany tahaka ny haron-tabebaka.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Diaspora » afaka hifidy Tsy maintsy ho kitihina ny lalàm-pifidianana ?

Mifoha indray ilay resaka fahafahana mampifidy ireo teratany Malagasy mpila ravinahitra any ivelany na Diaspora handray anjara amin’ny fifidianana 2023, fampanantenana nataon’ny Filoha Rajoelina tany France ny aogositra 2021.

Politique

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Pr Sammy Grégoire Ravelonirina “Hanitsy ireo tandrevaka no andrasana amin’ny mpitondra”

Misy ny ambaratongam-pahefana mikarakara ny fandraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra eto Antananarivo na Seces

Politique

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Fitondrana mpihantsy ady Ho loza amin’atambo raha mbola omena 5 taona…

Taom-pifidianana ny 2023, ary lojika ary miharihary fa hiezaka hitazona ny seza amam-pahefana eo am-pelantanany ny Fitondrana Rajoelina.

Politique

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Faha 5 taonan’ny Oniversite Ravelojaona Hanome seho sy hetsika ara-koltoraly ireo mpianatra

Ho fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 5 taona nitsanganan’ny oniversity Ravelojaona dia hisy ny hetsika maro ho tontosaina ao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny tapak’andro marainan’ity anio ity.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Olan’ny rano eny Ankatso “Misy miari-tory amin’ny 12 alina mbola tsy mahazo”

Tao anatin’ny 2 volana izao dia nisedra olana ny fisitrahana rano ho an’ireo fonenan’ny mpianatra eny Ankatso. Ho an’Ankatso I manokana izao,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Fanodinana tantely any Amoron’i Mania Hapetraka rahampitso ny milina manara-penitra

Ny faritra Amoron'i Mania no hisantatra ny fananganana Indostria miainga amin’ny vokatra any ifotony na Taninketsa Indostrialy na ny ODOF(One District One Factory ) ho an’ity taona 2023 ity, raha ny fantatra.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Tambajotra “5G” eto Madagasikara An-dalam-pamahana ireo olana teknika

Mandeha ny dingana fametrahana ny tambajotra 5G hositrahana eto Madagasikara atsy ho atsy. Teknolojia avo lenta momba ny tambajotram-pifandraisan-davitra amin’ny finday sy « internet »

Actualités

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Toriteny teny Antsonjombe Mbola liana sy mandrirotra azy hatrany ireo mpitondra

Samy manana ny loko politikany ireo olona tonga nanotrona iny fanompoam-pivavahana iny ary amin'ny maha toriteny ao anaty vava azy dia efa mazava ny fampidirana, hoy ny pretra sady mpamakafaka raharaham-pirenena,

Actualités

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Fiarovana ny zon’olombelona Ho lasa taranja ianarana eny amin’ny oniversite

Miezaka hatrany ny UNESCO manatevin-daharana amin’ny ady hatao amin’ny herisetra sy ny fiarovana ny zon’olombelona eto amintsika hahafahana mametraka ny tena fandriampahalemana marina.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Ambohidrapeto Avotry ny polisy ilay zaza nariana teny amoron-dalana

Zaza menavava iray no hitan'ny Polisy tao anaty harona napetrak’ireo tsy mataho-tody teny amoron-dalana teny Ambohidrapeto Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano omaly hariva.

Actualités

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Lisea Nanisana Mbola tsy nisy nampianatra ny mpianatra omaly

Nijorojoro fotsiny teny ivelan’ny sekoly ireo mpianatry ny lisea Nanisana omaly.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Fidorohana rongony mahery vaika 5 indray no tratra teny amin’ny faritra IVO sy Ankadindramamy

Saron'ny Polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina Anosy teto an-drenivohitra ny olona miisa 5 ka vehivavy ny iray tamin’ny fiandohan'ity herinandro rehefa nidoroka zava-mahadomelina mahery vaika.

Actualités

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Olona marary saina Mitombo isa isan’andro

Mitombo isa isan’andro ireo olona marary saina hita mirenireny eny rehetra eny eto amintsika.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Tsenan’Anosibe Avy any amin’ny « plafond » no miditra ireo mpangalatra

Efa tsy azo hatao intsony ny mametraka vola ao an-tsena amin’ny alina amin’izao ao amin’ny tsenan’Anosibe.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Fizarana trano vaovao eny Ankatso Manome 10 andro ny tompon’andraikitra ireo mpianatra

Naneho ny fiaraha-miorin’izy ireo tamin’ireo namany may trano teny amin’ny Polytechnique Vontovorona omaly ny fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka manerana ny nosy.

Actualités

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Ranomasimbe indianina “Ny oniversite eto Madagasikara no ratsy karakara indrindra”

Miaro sy mitandrina ary mikatsaka fatratra ny firoboroboan’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ny Seces,

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Pasitera Tsarahame Edouard “Fa inona izany no tokona hampirehareha antsika manana ilay tafika?”

hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Pasitera Tsarahame Edouard.

Politique

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Barea CHAN Tsara kokoa raha mandresy

Raha te ho voalohany, hoy Roro Rakotondrabe mbola tsy vita ny ady, hoy Roro Rakotondrabe mpanazatra ny Barea taorian’ny fanazarantena omaly.

Sport

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Card image cap
Antsiranana Tratra ilay lehilahy namono nahafaty ny sakaizany

Ny sakaizany ihany no nahavita nanafaka ny ain’ilay vehivavy 30 taona hita faty tao an-tokantranony tao Soafeno, kaominina ambonivohitr’Antsiranana,

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
19-janv-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus