14-févr-2023
Akaiky ny fifidianana, mandeha ny pimaso ataon’ny Filoham-pirenena am-perin’asa Andry Rajoelina, amin’ireo ben’ny tanàna amin’ny alalan’ny fizarana moto hoenti-manatanteraka ny asa.
Hamaky ny tohinyEfa tafiditra tanteraka ao anatin’ny hazakazaka politika 2023 isika amin’izao fotoana izao. Sesilany ny fanambarana politika etsy sy eroa!
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Miantso ny governemanta hamoaka ny didimpanjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana Filoham-pirenena mifanaraka amin’ireo volavola-tetiandro naroson’ny CENI ny Antoko TIM tarihin’i Marc Ravalomanana.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Namoaka serasera ny Minisiteran’ny asa vaventy omaly 13 febroary 2023, fa mitohy hatrany ny fanamboarana sy fanatsarana ny lalam-pirenena faha-2 (RN 2) mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Fantatra omaly maraina, fa tsy tana ny ain’ilay tovolahikely vao 16 iray amin’ireo olona telo voahitsaky ny kamiao mpitondra tany an’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena na
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Roa andro taorian’ny nahatafaverenany an-tanindrazana ny sabotsy 11 febroary 2023 lasa teo. Raikitra avy hatrany ny fanambarana politika masiatsiaka nataon’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina,
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Iny efa navoakan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na CENI iny ny tolo-kevitra momba ny datim-pifidianana filoham-pirenena 2023.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Lehilahy iray no nodoran’ny olona ka maty sy may kila forehitra tao anatin’ny faritry ny Oniversite na ny Campus Maninday Toliara omaly maraina manodidina ny tamin’ny 8ora.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Taorian'ny antso vonjy nalefan'ny Maorisianina miisa 4 tao amin'ny sambo izay nentin'izy ireo, dia nandray ny andraikiny avy hatrany ny tafika an-dranomasina Malagasy ny alahady 12 febroary, hoy ny fampitam-baovao.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Misy rivodoza miisa 2 dia i Dingani sy Freddy mivoatra any amin’ny ilany atsinanan’ny Ranomasimbe Indianina amin’izao fotoana izao,
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Tonga soamantsara eto an-tanindrazana ny filohan’ny fikambanan’ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara Atoa Soja Fulgence taorian’ny fihaonambe natrehiny tany Dar es Salam.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Tontosa ny zoma 10 febroary 2023 tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny fambolena sy ny fompiana Matsiatra
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Mitombo isa hatrany ireo vehivavy lasibatry ny aretin’ny homamiadan’ny nono sy ovaire any amin’ny Faritra Vakinankaratra.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Efa mahatratra 500 ny isan’ireo onjam-peo na radio eto Madagasikara amin’izao fotoana. Ny 76 isa amin’ireo dia eto Antananarivo avokoa raha araka ny fanadihadiana natao, fitaovam-pifandraisana mbola anisan’ny be mpanaraka
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Anisan’ny asa saro-pady ny asa fitandroana ny filaminana ka ilaina fahavononana hoy ny SEG ny Jeneraly Serge
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Hankalazaina anio talata 14 febroary ny fetin’ny mpifankatia na ny Saint Valentin. Samy manana ny fomba entiny hanamarihana izany ny rehetra na ho an’ny mpivady na ho an’ny mpifankatia.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Tsy an’asa ny 90%-n’ireo tanora ao anatin’ny distrikan’i Toliara II. Lasa manaotao foana avokoa ny ankamaroan’izy ireo vokatr’izany,
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Ho tsangambaton’ny orinasa mpisehatra amin’ny fiarovana tanana, Bira sécurité, noho ny faha 5 taonan’izy ireo dia nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy 67ha atsimo ny biraon’izy ireo vaovao eto Antananarivo.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Tsy ampy ny famoronana asa eto Madagasikara dia lasa manao makorelina, misoloky, mangalatra, mamono olona isika eto, hoy ny filohan’ny Hafari malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2023 dia hisy ny fampirantiana ny vokatra rehetra misy ao Betsimitatatra ho tontosain-drizareo ao amin’ny antoko politika FTM na Fitiavana ny taninjanako eto Madagasikara,
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Ho tontosaina eto amintsika ny 23 aogositra ka hatramin'ny 3 septambra ianao n'y Lalaon'ny Nosy.
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
Nitatitra ny foraoma nandritry ny herinandro na fivoriamben’ireo olona manana toe-tena varira na “albinos” natrehiny tany Tanzania tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Ivandry omaly ny filohan’ny fikambanan’ireo manana toe-tena varira
Hamaky ny tohiny
14-févr-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.