21-mars-2023
Very hatrany amin’ny 3 384 miliara Ar isan-taona i Madagasikara noho ny tsy fanjarian-tsakafo, ary mipetraka ho firenena faha-10 maneran-tany isan’ny tena iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka, araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao iray.
Hamaky ny tohinyMiha atomotra ihany ny androm-pifidianana satria efa taom-pifidianana ity 2023 diavintsika ity. Samy miomana sy mikofokofoka ireo rehetra mieritreritra ny hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena,
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Miharihary ny sary politika, fa miha malemy sy miha marefo ny fitondrana Rajoelina sy ny antokony. Mihakely ny herijika ho an’ny fifidianana 2023.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Teratany vahiny iray no voatery nosamborina omaly tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Makoro, distrikan’i Maevatanana Faritra Betsiboka.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Mbola sarotsarotra ny hivoahan’ny marimaritra iraisana mikasika ny fanatanterahana ny fifidianana, raha ny sary nipoitra omaly tetsy amin’ny CENI Alarobia.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Namoaka fampahafantarana ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro omaly 20 martsa, fa miisa 10 ankehitriny ireo kaompaniam-pitaterana an'habakabaka mitrandraka eto Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Mivaona tanteraka amin’ilay hevitra fonosiny hatrany am-piandohana ilay “politika” dia ny tetika sy lamina hoenti-mitantana sy mampandroso fiarahamonina sy firenena.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Ny 4 septambra 2021 no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Kianja Barea etsy Mahamasina.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Mampiaka-peo ireo mpandraharaha manao ny asam-panjakana noho ny volan’izy ireo mihitsoka amin’ny fanaovana fotodrafitrasa an’izao fitondrana izao, hoy ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Voahaja ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny fitaterana an-tariby na teleferika, zotra “ligne orange” mampitohy an’Anosy, Soarano, Ankorondrano, Analamahitsy ary Ambatobe,
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Namaly ny antson’ny kaominina noho ny tsy fisian’ny solika entina mampiodina ireo “motopompes” hitrohana rano ao Toliara ny Fikambanana Toliary Raika Avao.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Mialohan’ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy ny 10 aprily ho avy izao, manatanteraka fitiliana ny lisitry ny mpifidy na “audit du fichier électoral”
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Tsy mifidy taona ny aretina diabeta. Ankoatra ireo olon-dehibe lasibatr’izany etsy sy eroa dia efa mahatratra 400 ihany koa ireo ankizy latsaky ny 18 taona
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Mitady vady vazaha amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 60%-n’ireo tovovavy kely miditra any amin’ireny karazana cybercafé eto amintsika ireny amin’izao fotoana izao.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Tsy milamina mihitsy ny fandriampahalemana any amin’ny lalam-pirenena fahafito miazo an’i Toliara. Fiarabe miisa roa mpitondra entana indray omaly maraina tokony ho tamin’ny 08 ora no notafihina jiolahy maromaro,
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Toy ny zava-mahadomelina rehetra ihany ny paraky. Rehefa diso miankina aminy loatra dia tsy apetrany mihitsy raha tsy mandray azy in-telo isan’andro raha kely.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Tsy hita intsony izay hanazavana ny endrika hisehoan’ny tsy fandriampahalemana eto amintsika ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Ny 11 novembre 1962 no nandatsahana ny vato fehizoron’ny Sekoly Tombontsoa, izay nanomboka nandray mpianatra ny taona 1965.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Namaly ny antson’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fianakavian’ilay tale notorian’ny mpampianatra sasany ka nigadra vonjimaika eny am-ponja ny solombavambahoaka Naivo Raholdina,
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Tanimbary, tanimboly ary tanàna mirefy 67ha mahery, izay nohajarian'ny mponina efa am-polon-taonany maro no fantatra izao fa kasain'ny olona alaina eny Ambodisiarivo, kaominina Ambohimanga Rova, hoy ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Any Antsirabe indray no fotoana miaraka amin’ny tarika The Jackson boys, izay tarihin’I Mandresy Jackson moa izany, ny 25 martsa 2023 izao, hoy ny fampitam-baovao voaray.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Tsy voasazy intsony ny kanetibe malagasy ary afaka mandray anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha ny nambaran'ny filohan'ny federasiona, Amir Andriamilerovason.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Raikitra e. Efa vonona ny Barea ary efa tonga ny ankamaroan'ireo mpilalao ka namonjy ny hotely Ibis etsy Ankorondrano. Misy aza ireo avy lavitra no efa nanao fanazaran-tena tetsy amin'ny kianja kely tetsy Mahamasina.
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
Nanao ny tsy nambinina ka hiantrao fa havana ory. Izany no azo hilazana an'i Mirija Andriatefihasina sy Mahery
Hamaky ny tohiny
21-mars-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.