tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 23 Mars 2023

airtel

Archive du 14-nov-2022

Fandriampahalemana

Naina Andriantsitohaina Iza no mahita tombotsoa amin’ny famonoana azy ?

14-nov-2022

Nilaza ny ben’ny tanànan’Antananarivo omaly tokony ho tamin’ny 11 ora tao amin’ny tambazotran-tserasera, fa nisy saika hamono tamin’ny alalan’ny fitifirana. “Amin’ny alahelo no ilazana amintsika ny zava-niseho izao maraina izao : nisy olon-dratsy nifofo ny aiko

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Miandry vokatra tokoa

! Tsy ampy kolontsaim-bokatra, hono, ireo mpitantana sasany eo anivon’ny JIRAMA, hoy ny fanazavan’ireo lehiben’izy ireo ny sabotsy teo.

Edito

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Fenoarivo - Atsimondrano Tapaka im-pito isan’andro ny jiro

Mafy ny delestazy hiainan’ireo mponina eny Fenoarivo Atsimondrano. Raha araka ny fitarainana voaray mantsy dia tapaka im-pito isan’andro ny herinaratra raha kely ka ora iray eo ho eo no faharetan’izany raha haingana indrindra.

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Manjakavaradrano, kaominina Mahatsinjo Fiara sprinter iray no nilatsaka an-tanimbary

Fiara sprinter mpitatitra olona no tra-doza nilatsaka an-tanim-bary sahabo ho 20 metatra miala ny arabe tao anaty fidinana sy fiolahana teny amin’ny lalam-pirenena faha-4 (PK 202+300), Manjakavaradrano,

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Tombana ao amin’ny Jirama Tsy nisy fepetra hentitra noraisina hatreto

Vita omaly ny sabotsy 13 novambra teo ny tomban’ezaka na “entretiens” ampahany voalohany natao tamin'ireo Tale Mpitantana ambony ao amin'ny orina Jirama. Ireto avy ny olona manome naoty

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Ambondromifehy RN6 Tsy manaiky fisamborana ireo mpitrandraka safira

Raikitra ny fanakan-dàlana nataon’ireo mpitrandraka safira tany amin’ny RN6 ny sabotsy teo. “Gidragidra be teto amin'ny lalam-pirenena faha-6, Ambondromifehy, anelanelan'Anivorano Nord sy Ambilobe.

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Antoko politika Marina “Vahoaka sisa tsy afarana eto”

Na tiana na tsia, rehefa mitondra fanjakana ianao dia manana politikam-pampandrosoana ianao izany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika Marina, Désiré Ranaivoson.

Politique

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Coronavirus Niakatra ho 108 ireo voa, 3 misy fahasarotana

Mitombo ny trangana coronavirus eto Madagasikara. Nahatratra 71 ny tranga tao anatin’ny herinandron’ny 5-11 novambra 2022. Fitiliana miisa 464 no nahitana an’ireo, izay manome taham-pahavoazana 15,30%,

Covid 19

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Peugeot 405 tsy nisy taratasy Nifaoka fiara telo teny Imerintsiatosika

Fiara Peugeot 405 iray tsy misy taratasy hoy ireo nanatri-maso omaly no fantatra fa nifaoka fiara miisa 3 teny amin’iny lalana miazo an’Imerintsiatosika iny.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Scandale » vaovao indray Loholona nikasi-tanana mpamily taxibe…

Niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera ny faran’ny herinandro teo ny sarin’ny loholona IRD Atoa Rasolondratsimba Raymond fantatry ny maro amin’ny hoe: Raymond-Nala,

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Tetezan’Ampasika Saika nisy maty ireo mpilomano mitsambikina…

Efa manomboka miditra tanteraka ao anatin’ny hafanana isika eto an-drenivohitra ankehitriny.

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Fiarovana ny ala sy ady amin’ny afo “Tsy dia azo itokisana firy i Madagasikara”

Marina fa iharan’ny fiovaovan’ny toetrandro ateraky ny firenena indostrialy i Madagasikara, hoy ny avy eo anivon’ny INDRI na “Initiative pour le développement, la restauration écologique et l’innovation”

Actualités

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Eliace Ralaiarimanana “Miandry ny fahajamban’izay nangalatra ny vatoko aho”

Manoloana ny zava-misy ankehitriny izay hita fa tsy mandeha amin’izay izy intsony, tahaka izao fako be hitantsika eto Anosibe izao, ny mpitondra mi-werawera fotsiny manerana an’I Madagasikara,

Politique

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Asan-jiolahy Telolahy nangalatra kapa tany fiangonana

Betsaka ireo mpino amin’ny fiangonana tsy manao kapa na kiraro rehefa mivavaka isaky ny andro sabata.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Fikaonandoham-pirenena “Andao atao hoe atrikasa raha mametraka olana”

Mametraka hatrany ny hoe fanjakana teny ierana, manaja ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny ny antoko politika Marina, hoy ny mpandrindra nasionaliny sady mpandinika tantara, Désiré Ranaivoson.

Politique

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Fanjakana ankehitriny Be sinema, mihevitra ny vahoaka ho bado

Raha mpitondra be sinema sy mihevitra ny vahoaka ho bado tsy misy tahaka ity Fitondrana ity tao anatin’ny 62 taona. Mahita zavatra hatao hampalazana tena, hanodinana saim-bahoaka, tia manabado vahoaka,

Politique

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Antanimenakely Ampitatafika Nahitana fatim-behivavy voatsatok’antsy

Nahitana fatim-behivavy voatsatok’antsy indray teny Antanimenakely Ampitatafika omaly maraina. Manodidina ny 50 taona mahery izy io raha ny fahitana azy.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Mpianatra Malagasy avy any Maroc sy Rosia Ho avy amin’ny zoma ny andiany faharoa

Higadona amin’ny zoma 18 novambra ho avy izao eto an-tanindrazana ny andiany faharoa amin’ireo mpianatra Malagasy nalefan’ny Fitondram-panjakana nandrato fianarana tany Maroc sy Rosia.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Ankazomanga Vao nivoaka ny fonja dia tatra nangalatra indray

Lehilahy 21 taona , vao avy nivaoka ny fonja tamin’ny zoma 11 novambra teo no tratra nangalatra tetsy Ankazomanga afak’omaly sabotsy 12 novambra tokony ho tamin'ny 7ora 40 mn hariva.

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Vondrona, fikambanana, antoko politika… Mitaky tsy misy hatak’andro ny famoahana ireo gadra politika

Tao aorian'ny fakan-kevitra avy amin'ireo vondrona sy antoko politika, fikambanana, olon-tsotra izay nivory tao

Politique

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Card image cap
Fiara nivadika tao Ambatonapoaka Olona iray namoy ny ainy

Fiara 4 L iray no nivadika omaly maraina teny Ambatonapoaka, distrikan’ Arivonimamo, lalam-pirenena voalohany. Olona iray no namoy ny ainy vokatr’izany teo noho eo raha nalefa any amin’ny hopitaly kosa ireo roa hafa.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
14-nov-2022

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus