07-déc-2022
Mamofompofona fitsipaham-pitokisana na “motion de censure” indray etsy amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ka asa izay hiafarany na ho tonga hatramin’ny farany na ahoana?
Hamaky ny tohinyEfa hita taratra ihany ilay tsy fahamatorana fony mbola fitondrana tetezamita.tao ireo nihevitra hoe any aoriana any rehefa miha lehibe sy mianatra dia hahay hamindra tsara araka ny tokony ho izy amin’izay
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Nanatanteraka fihaonana, famelabelaran-kevitra tamin’ireo mpianatra taona fahatelo manaraka ny lalam-piofanana haifiarahamonina na « Sociologie »
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Aleo samy mailo tsara amin’izao ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Tsy hay fantarina intsony mantsy ireo tranga mety hiseho ka mety hahazoan’ny sasany
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Hita ho mipoipoitra indray ato anatin’ny roa herinandro izao ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto raha tsy re sy tsy hita am-bolana maro.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Nidina an-dalambe nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana indray ny mpianatry ny ENS (Ecole Normale Supérieure) tetsy Ampefiloha omaly 05 desambra 2022 taorian’ny fanambarana niraisan’ny ENS manerana an’I Madagasikara
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Ireo milaza fa mpanao lalàna dia mahagaga fa dia tsy mahafantatra izany atao hoe lalàna akory satria mampihantra izany amin’ny hery fitongilanana amin’ny madinika ary manome vahana ny vahiny,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Nisy avy hatrany ny serasera nataon’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondraharimalala Marie Michelle tao amin’ny tambazotran-tserasera vao raikitra ny grevin’ny mpianatry ny ENS (École Normale Supérieure).
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Hatao amin’ny fomba ofisialy anio 07 desambra 2022 eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fifanarahana eo amin’ny Avioneur Embraer sy ny Madagascar Airlines.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Tsy vola, tsy harena, tsy laza, tsy voninahitra fa toetra no tokony hanambadian’ny lehilahy na vehivavy iray ny olon-tiany.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Lehilahy miisa 05 indray no saron'ny zandary avy ao amin'ny Poste Avancé Antsampanana distrikan'i Brickaville afak’omaly alatsinainy 05 desambra tokony tamin'ny 11 ora maraina rehefa nangalatra taolam-paty.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Andro vitsivitsy maromaro sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona isika.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Mampivarahontsana ity resaka halatra voamaso ity tato ho ato. Teo aloha raha ny olona varira no tena lasibatra, dia efa tsy mifidy hasiana intsony ireo olon-dratsy,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Niteraka resa-be tamin’ny tambanzotran-tserasera ny horonan-tsary nataon'ny Rtoa iray antsoina hoe Nina Randrianaivo tamin’ i Lalie izay mpanakanto nanana ny toerany teo amin’ny zava-kanto. i Lalie kosa mpanakanto
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Manoloana ny fahafatesan’ny rahalahinay, izay mpianatra sy mpikambana tao aminay, Herinjaka Xavier Dimity, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tany Manakara ny 28 novambra lasa teo,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Nanamarika ny Andron’ny Fampiroboroboana ny Indostria aty Afrika i Madagasikara. Nisy ny hetsika manokana natao tetsy amin’ny Novotel Alarobia nanamarihana izany omaly.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Rangahy iray 35 taona no tratran'ny Polisy avy namaky trano omaly maraina tokony ho tamin'ny 05 ora teo ho eo teny Soavimasoandro.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Tsy misy toerana izay tsy ahitana fitohanana intsony amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Nanao fanambarana omaly ny Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’I Madagasikara na HIFFIM fa noho
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Tsara vintana miisa 131 no hosarihina ao anatin’ny lalao atsapaka antsoina hoe “Krismasy sanjila” iarahana amin’ny orinasam-pifanakalozam-bola MVola,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Anisan'ny vaindohan-draharahan'ny Fitondram-panjakana ny fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka eny anivon'ny tobim-pahasalamana miankina amin'ny fanjakana manerana ny Nosy.
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
Orinasa miisa telo izay “sous traitant” tao amin’ny Kianjan’i Mahamasina (Barea) no mitaraina ankehitriny fa efa herintaona mahery izao no nahavitain’ny asa,
Hamaky ny tohiny
07-déc-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.