24-avril-2023
Nihaona tamin’ny praiminisitra Israeliana Benjamin Netanyahu sy ny minisitry ny fitaterana Miri Miriam Regev tany Jerosalema ny faran’ny herinandro teo i Siteny Randrianasoloniaiko
Hamaky ny tohinyNijery ny ambara fa fivoaran’ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13 ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo. Ity RN13 ity izay nanaovany fampanantenana fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita io.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Nitarika ny lanonana fanombohana ny tetikasa fitarihan-drano na “pipeline” mirefy 97km avy amin'ny reniranon'i Efaho ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny sabotsy 22 aprily teo.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Mihamafy ny krizy ara-tsoliky ny Jirama! Taorian’ny olana tany amin’ny Faritra izay efa tao anatin’ny tapa-bolana latsaka teo nanomboka nisy olana ny resaka famatsiana solika ny Jirama niainga tany Ambatondrazaka,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Raha ny resaka natao teto izay dia efa misimisy ihany.Fa dia izao iaraha-mahita izao hoe mahantra ny firenena, miha mahantra ny vahoaka Malagasy.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Mandeha ny fampanaovana taratasy fanekena ireo ben’ny tanàna sasany mba hanara-dia ny Antoko TGV ary hivadika ho ao anatin’io antoko io,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Tao Sambava indray no nifamotoana tamin’ireo mpanohana azy sy nanao fanentanana ny olom-pirenena hanamarina ny anarany sy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Toe-javatra roa maneho ny fisian’ny Fanjakana miangatra sy mietraketraka ny raharaha Stan’ley Ramarivelo sy ny an’I Marc Tatandraza.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Miverina indray ny resaka olana amin’ny solika mavesatra hamatsiana ny Jirama, izay isan’ny antony mahatonga ny delestazy ankehitriny.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Nampahafantarina ny zoma lasa teo tao Taolagnaro ny fandaharan’asa fampiofanana ho fampandrosoana ny toekarena anatiny ao amin’ny faritra Anosy sy mba hisian’ny atao hoe asa maharitra ao an-toerana.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Vao nigadona teo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
3 andro misesy izay eo amin'ny 6 maraina eo foana no misy ny voaendaka eo Ambatomitsangana, hoy ny fampitam-baovaon’ny mponina eny an-toerana.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Nametraka fitoriana eny amin'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana any Fianarantsoa ny MMM antoko politika Malagasy miara-miainga any Amoron'i Mania,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Alasora, distrikan’Avaradrano. Lasa matahotra mody hariva ny vahoaka
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Mijaly ireo zaza amam-behivavy ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Manampatrana, distrikan’Ikongo.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana afak’omaly sabotsy.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Renim-pianakaviana iray vao erotrerony no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny alatsinainy alina teo nifoha talata teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Anjeva gara, any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny.
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Tsy misy mitombina ireo fanaratsiana an’i Siteny Randrianasoloniaiko fa ny BIANCO izay nampiantso azy in’efatra miantoana aza, tsy afaka nanaporofo ny fitantanana lazaina fa tsy nety :
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
An-kamely tokoa ny fiainana satria efa mifamitaka fotsiny, miandrandra ny ho hanina anio ary tonga mitangorona
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Nizotra ara-dalàna ny fotoam-pitsarana ilay mpanakanto sady mpitarika ny fikambanana Zafinifotsy, Ninie Donia, ary tsy nisy teritery,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Betsaka ihany izay mpanakanto nandalo tao Betafo izay fa tsy nisy ohatra ny fampisehoana nataon'ny tarika
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Nivoaka ny fahanginana noho ny fitiavany ny Barea indray i Salomon Charlot Andriamady, ilay mpiandry tsatokazo tao amin'ny AS St Michel sy ny ekipam-pirenena,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Ny 6 sy 7 may izao no hiatrika ny fifanintsanana ho amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Basket ball, sokajy vehivavy,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Tontosa ny alin’ny zoma teo tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny lanonana manetriketrika nampahafantaran’ilay mpanakanto, mpanao poezia,
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
Nidona tamina takela-by fanaovana dokam-barotra ilay moto
Hamaky ny tohiny
24-avril-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.