29-avril-2022
Tahaka ireo mpitondra ambony sasany tamin’ny fotoan’andron’ny Fitondrana HVM izay voatery nanao sesin-tany ny tenany any ivelany, dia isan’ireo olona nandao ny firenena ihany koa ny Filoha teo aloha Atoa Hery Rajaonarimampianina mivady.
Hamaky ny tohinyLahatra sa sitrapo ny fahantrana ? Fanontaniana mila valiny ho an’ny firenena sy ny vahoaka io. Toa zary tezaina sy voataiza hanaiky lembenana sy tsy ho afa-manoatra mantsy ny vahoaka Malagasy.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Niditra tamin’ny andro faha-64 omaly ny fanafihana ataon’ny Rosianina any Ukraine. I Kiev renivohitra no nanomboka lasibatry ny daroka baomba omaly.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Asa na hitohy na serasera manjelatra hambaboana ny fon’ny mpanara-baovao indray ny fanomezana ny praograman’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, izay hita ho niatomboka omaly.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Tsy afaka nody fa voatery nijanona tao anatin’ny toeram-piasany ireo mpiasan’ny kaominina manodidina ny 700 isa ao amin’ny QMM Taolagnaro alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Efa miomana sahady ny amin’ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika ireo fiara fitateram-bahoaka rehetra eto amintsika. Lohalaharana amin’ireny ny taxibe,
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Vehivavy roa mpisoloky maka vola amin’ny anaran’ny ministera no sarona tany Toamasina. Mitety orinasa any an-toerana izy mirahavavy ireto ary maka vola,
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Taxibe iray ao amin’ny zotra 172 mampitohy an’ny 67 ha sy Andoharanofotsy indray no tratran'ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy sy ny kaoperativa afak’omaly alarobia 27 aprily
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Renim-pianakaviana 35 taona no maty tsy tra-drano notsatohan'ny vadiny tamin’ny antsy tany Ambatondrazaka.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano tany Andekaleka ny ministry ny angovo sy ny akoranafo, Andry Ramaroson,
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Hanao fanambarana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny eo anivon’ny Federasionina Malagasy ho an’ny taranja baolina kitra (FMF) anio, raha ny tsilian-tsofina.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Efa madiva ho vita ny lalana "Entrée Fandriana" ao amin’ny faritra Amoron'i Mania, hoy ny fampitam-baovaon’ny governora ao an-toerana, Mamiarisoa Radaloson.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Anio 29 aprily 2022 amin’ny 10 ora no voafaritra fa hanaovana ny fifampidinihan’ny filoha Rajoelina Andry hanasana ny sehatra tsy miankina ka hiresahan’izy ireo ny fomba fampiakarana, araka ny serasera navoakan’ny Fiadidian’ny Repoblika
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Natao ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ny alatsinainy 2 may 2022, fetin'ny Eid Al-Fitr, araka ny fampahafantarana mitondra ny laharana N°56 MTEFPLS/SG//DGTLS/2022 nataon'ny minisiteran'ny Asa,
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Tratra omaly alakamisy vao mangiran-dratsy tao Ampanefy Atsimondrano ny raim-pianakaviana iray nanolana mpanampy vaviny vao 12 taona monja.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Tontosa ny fivoriamben’ny Sendikan’ny mpitsara Malagasy na SMM tany Fianarantsoa sy Toliara raha ny tatitr’izy ireo tetsy amin’ny biraony tetsy Ankorahotra .
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Nampahafantarina omaly tetsy Anosibe ny fahaterahan’ny antoko mpihira ara-pilazantsara antsoina hoe Haja Ny Kanto.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Na dia etsy amin’ny Le Zoma Antaninandro-Faravohitra aza no hitondra ny vazon’izy ireo amin’izao endriny ankehitrin’izao ny tarika isan’ny sangany tamin’ny fiangaliana « dance »
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Handao tsy ho ela an’i Madagasikara ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina dia ilay teratany Italianina SEM Giovanni Di Girolamo, raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovao vahiny iray omaly.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Manaitra ary mahavalalanina ny nahita ny taratasy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo mitondra ny laharana N°182/CUA/M/DIPLES 2022 mitondra ny datin’ny 27 aprily 2022,
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Nianatra ho mpampivelona sy mpitsabo mpanampy no anton-dian’i Elisabeth Rasoanirina tao Mahajanga, ilay tovovavy nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tany an-toerana ny Talata maraina lasa teo izay natao tao
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Ao anatin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety dia hisy ny tolakandron’ny 3 may hoavy izao, manomboka amin’ny 2 ora,
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Mpaka sary anisan’ny nanana ny lazany teto amintsika Rakotondrazaka Emile na Ramily izay teraka tamin’ny taona 1938 ary namoy ny ainy tamin’ny taona 2017.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Vehivavy iray vao 17 taona monja, bevohoka 5 volana no fantatra fa maty notifirin’ny miaramila kaporaly iray tao amin’ny kaominina Ankalalobe, Belo/Tsiribihina ny alatsinainy 25 aprily lasa teo.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Ho asondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Firy isan-jaton’ny vahoaka Malagasy moa no mpiasam-panjakana,
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Tsy sasatry ny midona amin’ny rindrina Rafanjakana. Sary izao, serasera izao, fandokafan-tena izao,… tamin’ny dia tany Etazonia farany teo.
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
Tena mijaly amin’ny fitadiavana tobim-pitsaboana ny olona any ambanivohitra. Raha araka ny fantatra mantsy dia mandeha dia an-tongotra hatrany amin’ny 35 km
Hamaky ny tohiny
29-avril-2022
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.