tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Archive du 09-févr-2023

Politique

Kajy politika Hiaka-dapa indray ireo olon’ny 2009?

09-févr-2023

Manomboka mivoaka eny anivon’ny Etamazaoro politikan’ny fitondrana indray ankehitriny feo amin’ny mety ho fanamboarana sy fikitihana toerana tompon’andraikitra ara-panjakana vitsivitsy na maromaro.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Fangatahana sy fitakiana ara-pifidianana Nihaona manokana tamin’ny CENI ny TIM

Nihaona sy nifampiresaka tamin’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ny avy amin’ny Antoko TIM omaly 08 febroary. Noraisina tetsy Alarobia ireo solontenan’ny Antoko nahitana an’Atoa Rina Randriamasinoro,

Politique

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Antoko politika MMM “Mandika lalàna ny CENI”

Nantsikafon'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM ny fomba fiasan'ny CENI amin'izao fotoana izao. Nohitsin'ny mpitondra tenin'ny MMM, Rakotomalala Rija, ny fihoaram-pefy ataon'ity rafitra mpikarakara fifidianana ity.

Politique

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Durlin Retogniane “Ahiana ny hiverenan’ny 7 febroary 2009”

Tokony hakan’ireo mpitondra lesona sy ireo haka fahefana eto amin’ny firenena ireny 7 febroary 2009 ireny, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane.

Politique

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Fitrandrahana vaventy “Manana maodely ratsy amin’io isika”, hoy ny FIMA

Orinasa efa teo hatramin’ny taona 2004 ny Base Toliara, hoy ny Fikambanan’ny masikoro arivolahy na FIMA, izany hoe efa maro ny mpitondra nifandimby niara-niasa taminy.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Ny olona lasa fa isika mihahaka eto

Mandroso ihany ny fotoana ho an’ny raharaham-pirenena, fa ny fahasahiranana sy ny fahantrana miha mitombo ihany noho ny tsy fahaiza-mitantana manara-penitra.

Edito

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Vizana tanteraka ny vola Malagasy Nitotongana 16,8% tao anatin’ny herintaona

Tsy mitsahatra mitotongana ny sandam-bola Malagasy, ary tsy tena manana vahaolana aloha hatreto ny Fanjakana Rajoelina. Raha ny tatitry ny Banky Foiben’I Madagasikara.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Zakahely Boniface “Miandry ny filoham-pirenena hahatsiaro anay izahay!”

Zava-dehibe indrindra ny traikefa amin’ny fitantanana firenena, hoy ny mpanao politika, Zakahely Boniface. Faharoa ny fahaizana miresaka, hoy izy.

Politique

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Soava Andriamarotafika Tsy mandika lalàna izany ny CENI

Nitondra fanazavana namaly ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) ny CENI Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny Atoa Soava Andriamarotafika omaly,

Politique

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Fitakian-ketra mihoampampana “Natao hovaliana ka raha voavaly ara-dalàna dia foana”

Nampikorapaka mafy ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina ny taratasin-ketra avy amin’ny Foibem-pitantana ny hetra mikasika fanintsiana ara-ketra na “redressement fiscal”.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Randrana sendikaly “Tsy mila kandida tsy hijery sosialin’ny mpiasa”

Nihazakazaka ny Randrana sendikaly vao naheno hoe hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka ny fitondram-panjakana nijery hoe inona no tena maika, indrindra, aty amin’ny sehatra tsy miankina,

Sosialy

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Tahirimbolam-panjakana Vita ny fitsirihana lalina nataon’ny SSC Tunisie

Nanamafy omaly ny eo anivon’ny Tahirimbolam-panjakana fa dingana tsy azo iodivirana hanatrarana ny vina "Tahirimbolam-panjakana mivoatra,

Toekarena

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Fikojakojana làlana “Ahafahana manodinkodim-bola ny “Fond routier””

Tsy misy afa-tsy fikojakojana mandavan-taona lalana ihany no vahaolana amin’ny olan’ny lalana eto Madagasikara, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha, ny Jeneraly Tsaranazy Jean Emile.

Toekarena

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Fahantrana manara-penitra Mitombo isa ireo mitrosa eny amin'ny "épicerie"

Nitombo hatrany amin’ny 50% tamin’ny volana Janoary teo sy tamin’ity volana Febroary ity ireo olona tonga maka trosa eny amin’ireo mpivarotra enta-madinika sasany.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Naivo Raholdina Mandetika mafy ny Minisitry ny mponina

Tao anatin’ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy ny 7 feboary 2009 sy ny fambolen-kazo ny antoko politika TGV teny Masindray,

Politique

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Bakalorea 2023 Tsy ekena ny fahataran’ny fisoratana anarana

Nisokatra ny 06 febroary teo hatramin’ny 7 aprily 2023 amin’ny 6ora hariva ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana ofisialy bakalorea taona 2023,

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Tontolon'ny fampianarana Olana goavana ny fandoavana ny "écolage"

Velon-taraina ny ankamaroan’ny tompon’ireo sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra. Hatreto mantsy dia mbola vao ny 20%-n’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra raha betsaka no nahaefa ny saram-pianaran’ny zanany volana

Sosialy

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
andevozin'ny zava-mahadomelina Eny akaikina sekoly no midoroka

Lehilahy miisa 02, izay vao 26 sy 21 taona no saron’ny mpitandro ny filaminana nifoka rongony teny Ambohimanatrika ny 07 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 7ora hariva.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Horonan-tsary vetaveta amin’ny ankizy 10 Euros no hamarotan’izy roa vavy video iray

Tovovavy roa 25 taona sy 21 taona mpirahavavy iraitampo no tra-tehaky ny polisy misahana ny cybercriminalite rehefa nanodina fanodinana horonan-tsary mamoafady miaraka amin'ny zaza ao an-trano izay zanaky ny iray

Actualités

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Lisea Andohalo Nilamina ny disadisa, niala ilay mpianatra very finday…

Niravona omaly ny raharaha fahaverezana finday avo lenta I-Phone 11 tetsy amin’ny Lisea Andohalo, ary miverina amin’ny laoniny fampianarana.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Fonjan’i Vatomandry Isan’n manampy amin’ny fanarenana ireo relijiozy

Fonja isany manana ny maha izy azy ao anatin'ny faritra Atsinanana ny fonja ao amin'ny distrikan'ny vatomandry, hoy ny fanehoan-kevitry ny solontenan’ny mponina ao an-toerana omaly.

Actualités

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Ekipan’ny Barea CHAN Nafana ny fitsenana an-dRakool, Jean Yves, Rojo Be

Noraisina tamin’ny fomba manetriketrika tahaka ny maherifo ireo mpilalao 3 mirahalahy isan’ny nandrafitra ny Barea CHAN tany Algérie dia i Koloina Razafindranaivo na Rakool,

Sport

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Mpanazatra ny Barea Sao dia tokony ho i Rôrô amin'izay

Hiatrika in-droa miantaona an’i Centrafrique ny Barea zokiny ny volana martsa ho avy izao. Asa na mbola tena ao am-po ny Malagasy tsirairay ny zava-bita tany Alzeria

Sport

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Card image cap
Antananarivo renivohitra Tsy mahafeno « versement » ny ankamaroan’ireo Taksibe

Na fotoana hianaran’ny mpianatra sy hiasan’ny mpiasa aza izao dia marobe ireo mpamily taxibe no mitaraina ho tsy mahafeno « versement »

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
09-févr-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus