tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Archive du 24-janv-2023

Fifamoivoizana

Mihotakotaka tanteraka ny fitondrana Ahiana hisy raharaha hirefotra ato ho ato

24-janv-2023

Mihasarotra ny toeran’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Ny ao anatiny miharatsy ny toe-draharaha, misy olom-panjakana ambony toa efa sarotra ny mifehy azy.

Hamaky ny tohiny
ampamoaka

Card image cap
Miorina eo ambony faharatsiana

Sanatria ny manenji-dresy, ary tsy ny Fitondrana no resy ao anatin’izao vanim-potoana iainantsika izao fa ny firenena manontolo.

Edito

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Governemanta hifantoka amin’ny fifidianana “Atahorana ny fipoahana sosialy”

Zava-dehibe ny hisian’ny fifidianana anaty mangarahara tanteraka amin’ity taona ity, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Politique

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Fanavaozana ny lisity ny mpifidy 66% no voasoratra anarana hatreto

Miandry ny didy aman-dalàna mikasika ny fahafahan’ireo diaspora mandray anjara amin’ireo fifidianana ho tanterahana eto Madagasikara ny CENI,

Politique

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Hajo Andrianainarivelo “Mila politika sahisahy ny firenena”

Fanalahidy lehibe ahafahana mitondra fanovana eto amin'ny firenena ary miteraka fampandrosoana maharitra ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy,

Politique

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Tafiditry ny zarazarao hanjakana Vaky ny adin’ny samy artista Malagasy

Vaky tanteraka ny ady eo amin’ny samy mpanakanto noho nyy raharaha OMDA (Ofisim-pirenena momba ny zon’ny mpamorona).

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Sosotra ireo Tangalamena ao Moramanga “Olona milaza ho akaiky fitondrana mandroba fananam-panjakana”

Mijoro manohitra ny fandrobana ataon’olom-bitsy ny fananam-bahoaka sady fananam-panjakana ao amin’ny distrikan’I Moramanga ireo Tangalamena sy ny “Notable” any an-toerana.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Masoivoho Frantsay “ Manan-jo hifidy malalaka izay hitondra azy ny Malagasy

Naneho ny heviny mikasika ny fifandraisan’ny firenena malagasy sy i Lafrantsa ankehitriny teny amin’ny fonenany etsy Ivandry omaly alatsinainy 23 janoary 2023 ny masoivoho Frantsay miasa eto amintsika, Arnaud Guillois.

Politique

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Angidim-by nampanantenaina ny tafika Nijanona ho fampanantenana poakaty hatreto

Tamin’ny 22 desambra 2022 no nanamafisan’ny Filoham-pirenena fa ho avy ny angidim-by vaovao ho an’ny tafika. “Ho tonga ny tapaky

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
CHAN 2022 Tafiakatra amin’ny ampahefa-dalana ny BAREA

Misoratra amin’ny tantaran’ny baolika kitra Malagasy ny zavaditan’ny Barea CHAN halina tany Constantine – Alzeria.Tafiakatra amin’ny ampahefa-dalan’ny CHAN 2022 ny ekipan’ny coach Roro

Sport

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Fiaramanidina nianjera tany Alaotra Maty tsy tra-drano ilay mpanamory vao 25 taona monja

Fiaramanidina kely iray marika Piper PA-28 mitondra ny laharana 5R-AAR an’ny kaompania Aéromarine no tra-doza tany Beapanga Mangalahala atsimo andrefan’I Sahadingana ao anatin’ny kaominina Andilanatoby,

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Soava Andriamarotafika “Ny adihevitra misy dia efa antoka fa hisy ny fifidianana”

Tsy niandry ny tenin’ny praiminisitra izahay fa vao vita ny lalana momba ny tetibolam-panjakana fototra na LFI, hoy ny mpampakanteny eo anivon’ny CENI,

Politique

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Antokom-pivavahana ivelan’ny FFKM Misy mampirisika tsy hisoratra anarana anaty lisitry ny mpifidy

Misy manda tsy hisoratra anarana anatin’ny lisitry ny mpifidy ny olona fa aza adinoina, hoy ny mpampaka teny eo anivon’ny CENI,

Politique

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Kaominina Ampitatafika Tanimbary 843 ha no tsy azo hambolena intsony

Tsy dia niakatra loatra ny reniranon’i Sisaony mandalo ao amin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano tamin’ity taona 2023 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Resabe niparitaka tetsy sy teroa Nanazava ny momba ilay « paracétamol » ny ministera

Betsaka ireo olona nikorotan-tsaina nanoloana ilay vaovao niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera facebook fa ahitana ilay virus machipo ao anatin’ireo fanafody paracetamol hamidy eto amintsika.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Tanànan’Alasora Hosoloina avokoa ireo jiro lasan’ny mpangalatra

Mitohy ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Alasora, distrikan’Avaradrano amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2023 izao.

Sosialy

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Fambolena, fivarotana ary fifohana rongony 9 mianadahy no tratra teny Anosibe sy Andrefan’Ambohijanahary

Olona 9 mianadahy mianaka no tratra teny Anosibe, Andrefan'ambohijanahary ary Manarintsoa Isotry, rehefa nivarotra sy namboly ary nifoka rongony. Manomboka ny fanadiovana ny tananan'Antananarivo renivohitra

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Fahasalamana Mitrosa ny 98%-n’ireo marary tonga manatona mpitsabo

Ny 30%-n’ny Malagasy ihany raha betsaka no manana fahafahana ny hitsabo tena eto amintsika.

Fahasalamana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Mpanolana mahavanon-doza Notereny ninono ny filahiany ilay tovovavy

Miseho amin’ny endriny maro ny fanolanana tovovavy kely amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny fampiasana tanana dia misy mahavita manery ireny tovovavy kely ireny hinono ny filahiany mihitsy ny sasany.

Actualités

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Voafonja nahafaty olona tao Analalava Hitan’ny olona mandehandeha tsy misy tahotra

Tsy milamina ny toe-draharaha ao Analalava ao. Voafonja iray voalaza fa namono nahafaty mpiraki-draharahan’ny fitsarana iray am-perin’asa

Fandriampahalemana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Androhibe Antsahadinta Ahemotra ny fitokanana ny CEG sy ny Lisea

Tafakatra 15 isa hatramin’ny omaly hariva ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso teto amintsika.

Fampianarana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Vavatenina Lehilahy iray 38 taona lasan’ny rano

Lehilahy iray 38 taona no fantatra fa lasan’ny rano tany amin’ny distrikan’i Vavatenina ny sabotsy teo.

Actualités

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
TENY GASY Nilatsahan’ny varatra ny Fiangonana-Anatirova

Fahiny dia tsy azo nanorenana rindrina vita amin’ny tany sy vato ny faritra anaty vavahadin’Antananarivo. Trano kotona hazo manontolo no nandravaka iny vohitra ambony iny, izay tena Antananarivo ara-tantara.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
TENY GASY Nilatsahan’ny varatra ny Fiangonana-Anatirova

Fahiny dia tsy azo nanorenana rindrina vita amin’ny tany sy vato ny faritra anaty vavahadin’Antananarivo. Trano kotona hazo manontolo no nandravaka iny vohitra ambony iny, izay tena Antananarivo ara-tantara.

kolontsaina

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Kung-Fu Wisa « Handray anjara amin’ny raharaham-pirenena… »

Na dia mikija aza ny orana dia tsy nahasakana ireo mpanao Kung-fu manodidina ny 3000 isa hifamotoana tetsy amin'ny kianja mitafon'i Mahamasina ny Alahady 22 Janoary teo, hoy ny fampitam-baovao.

Sport

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Anjiajia‚ kaominina Tsaramandroso Lasan’ny rano ny lalana

Tapaka ny lalana 500 metatra tsy hidirana ny fifanenana eo Anjiajia‚ kaominina Tsaramandroso‚ raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Fifamoivoizana

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Card image cap
Durlin Retogniane “Aleo tendrena aloha ny minisitry ny raharaham-bahiny”

Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,

Politique

Hamaky ny tohiny
24-janv-2023

Le fil d'actualité

07-janv-2021 00:00

Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.

07-janv-2021 01:00

PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.

07-janv-2021 02:00

Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.

07-janv-2021 03:00

Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.

07-janv-2021 04:00

OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.

07-janv-2021 06:00

Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.

07-janv-2021 07:00

Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.

07-janv-2021 08:00

Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.

07-janv-2021 09:00

Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.

07-janv-2021 10:00

RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.
voir plus