03-avril-2023
Naman’ny vaky tanteraka ny ady eo amin’ny Depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenena Atoa Brunelle Razafitsiandrafo sy ny Fanjakana ankehitriny.
Hamaky ny tohinyMihazakazaka ny fotoana, fa manitsaka ny volana fahaefatra sahady isika ho an’ity taona 2023 ity. 6 volana eo izany sisa dia hametra-pialana ny Filoha ankehitriny raha ho voatazona ilay volavolana datim-pifidianana.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Mafanafana ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Nisesy ny fanafihana mitam-basy tao ho ao, ary nisy fotoana aza tao anatin’ny iray andro toy ny tamin’ny 4 martsa lasa teo,
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Nifanesisesy ny loza nitranga teto amintsika ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
teo, izay mandrara ireo hetsika politika atao an-kalamanjana ankoatra ireo hetsika karakarain’ny mpitondra fanjakana,
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Miroso tanteraka amin'ny fanatsarana ny tolotra omena ireo vahoaka ao aminy ny kaominina Alasora, tarihin'ny Ben'ny tanàna Randriantsoa Jimmy.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Nilaza ny depioten’Ikongo Brunelle Razafitsiandraofa fa tamin’ny 27 martsa 2023 dia nisy fivoriana, natrehina minisitra 2,
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Aza afangaro ny sorabola sy ny vola am-pelatanana »
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Nihaona sy niresaka mivantana tamin’ireo tambajotra momba ny vary tany Imeritsiatosika ny Minisitry ny
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Tsy hoe tao anatin’ny 60 taona fotsiny fa tena mbola tsy nisy hatramin’izay mihitsy ny endrika famiravirana ny fiandrianam-pirenena niseho lany teto amin’ny firenena tao anatin’izao fitondrana ankehitriny izao.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Notontosaina ny 1 Aprily teo ny famaranana ny tetikasan'ireo mpianatra 6 mianadahy , taona faharoa avy amin'ny « Institut National des Sciences Comptables et de l'Administration d’Entreprises » na INSCAE.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Vory lanona teny amin’ny Yandy By-pass ny fianakaviamben’ny Sendikan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra na SECES ny zoma 31 martsa 2023 nandritra ny fiaraha-misakafo sy koranam-pifaliana 2023.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Tokony hampieritreritra sy hahatonga saina ny rehetra indrindra fa ny tompon’andrakitry ny kaominina sy ireo
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Anisan’ny kaominina mihetsiketsika ny kaominina Andoharanofotsy, tantanan’ny Ben’ny tanàna Rakotoarimanana Henintsoa.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Tena mampitaraina olona maro ny haavon’ny tetezana etsy Paraky Ouest Mananjara, Boriborintany fahaefatra.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Nitombo hatrany amin’ny 20% ireo olona marary tonga manatona mpitsabo tato anatin’ny iray volana teo ho eo izao,
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Tovolahy roa izay voalaza fa iraitampo no tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika tao an-tokantranony tetsy Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Misedra olana tanteraka ireo mponina eto amintsika noho ny fidangan’ny vidim-bary. Efa mahatratra 1.100 Ar ny iray kapoaka amin’ny vary gasy amin’izao eny an-tsena raha 800 Ar ny mora indrindra.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Taorian’ny sakoroka niseho ny sabotsy 25 martsa sy ny alahady heriny lasa teo teny amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Tsarahonenana,
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Ny alarobia izao no ampahafantatra ny vinam-piarahamoniny etsy Antaninarenina ny antoko politika « Ny Fireneko ».
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Feno 10 taona katroka ny 31 martsa teo ny haino aman-jery rahavavy Kolo TV/FM ary nanamarika izany tetsy Antanimena ny zoma hariva teo.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Tontosa soa aman-tsara tetsy amin’ny CC ESCA Antanimena omaly 2 aprily ny fanamarihana ny faha 90 taonan’ny mpanakanto, Henri Ratsimbazafy.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Teknika fa tsy angovo hoy ny filamatry ny Ajesaia. Saingy ny sabotsy teo tany Toamasina dia sady tsy teknika no tsy angovo nanoloana ny Fanalamanga izay tena tongatonga araky ny fiteny.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Tontosa ny sabotsy teo tetsy amin’ny dobo filomanosana etsy amin’ny ESCA Antanimena ny fifaninanana “Interclasse 2023”
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Hifamotoana any Antsirabe indray ny mpilalao volleyball mandritry ny herinandro ny 7 ka hatealin'ny 14 aprily.
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
Misaona ny mozika malagasy. Nodimandry ny sabotsy teo, noho ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy teny
Hamaky ny tohiny
03-avril-2023
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.